<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mivory eto izahay
 Hiantso ny Anaranao,
 Jehovah Masina ô !
 Dia manomeza anay anio
 Ny soa avy taminao,
 Ho fitahiana.

[V2]
 Ny vavaka tononinay
 Miakatra any Aminao,
 Mpamonjy tia anay !
 Mba raiso ao an-danitra
 Ho zava-mani-pofona
 Izay ho tianao.

[V3]
 Ny saotra izay aterinay
 Mba raisonao, Jehovah ô,
 Andriamanitray !
 Ny vokatry ny molotray
 Dia aoka ho fanatitra
 Ankasitrahanao.

[V4]
 Ankehitriny, Tompo ô !
 Omeo ny Fanahinao
 Hitoetra aminay.
 Ho fanalana aizina,
 Sy fanoloran-kevitra
 Ho an'ny olonao.</lyrics>
<title>Mivory eto izahay FFPM238</title>
<hymn_number>238</hymn_number>
<author>Ch. Rasoanaivo</author>
</song>